Vonona ve ianao?

15 janvier 201720 h 19 min

ltby_5696x5696Misaotra an’Andriamanitra indray isika afaka mifampizara eto. Tsy lany teny ambara amin’tsika Andriamanitra. Ny teny ho zaraina androany dia ny amin’ny fiainana mandrakizay. Zavatra roa no azo resahina dia ny fahatongavan’i Jesosy Kristy eny amin’ny rahon’ny lanitra sy ny fahafatesana izay làlana tsy maintsy andalovantsika.
Mino aho fa maro amin-tsika no efa mahalala na ampahany na ampahany betsaka ny momba ny fahatogavan’i Jesosy eny amin’ny rahon’ny lanitra. Nisy anjely roa lahy nanambara ny amin’ny hiveranan’i Jesosy raha niakatra ho any an-danitra Izy.

Asa 1:11

11 izay nanao hoe: Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra hianareo? iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra.

Mbola hiverina Jesosy ary amin’ny hery sy voninahitra no hiverenany. Inona no mety hitranga amin’izany fotoana izany? ny fotoana hiverenany indray dia tsy misy mahalala fa ny zavatra hitranga sy hiseho dia nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianatra ary manambara ny zavatra rehetra hitranga koa ny bokin’ny Fanambarana na Apokalypsy. Amin’izany fotoana izany dia ao anatin’ny indray mipi-maso no hananganana ny olo-marina rehetra. Tsy haiko hoe ohatra ny ahoana no hieritr’eretantsika an’izany indray mipi-maso fa fotoana fohy no hitrangan’izany rehetra izany.
Ary raha jerena ny teny faminaniana ny amin’ny fiaviana dia efa tanteraka daholo ny akamaroan’izy ireny. Horohorotany misesisesy, ny ady sy filazan’ady etsy sy eroa, ny toetr’andro miova sns …
Ny fanotaniana ao anatin’izany dia ny hoe efa vonona ve ianao. Ity tsy hisy resaka intsony hoe mbola mety hisy arivo taona ka hanana fotoana lava be isika hiomanana. Antomotra ny farana’ny zavatra rehetra, Ho avy Jesosy.
Ary tsy tahaka ny manala fanadinana ka hoe tsy afaka androany dia amin’ny heritaona manaraka indray. Indray mande tsy miverina no hananganana ny olo-marina rehetra ary ao anatin’ny indray mipi-maso. Mba mety ho tafiditra ao anatin’izany ve izaho sy ianao. Mba efa manana antoka ve ny tsirairay ny amin’ny fiaina-mpanahy fa raha ho avy anio ihany Jesosy dia efa vonona sa mbola hoe  » Aoka aloha ? » Anjaranao no mandinika mangina ny fiainanao.

Ny faharoa dia ny amin’ny fahafatesana. Ho avy Jesosy fa ny fahafatesana koa dia làlana iray tsy maintsy andalovan’ny olo-mbelona rehetra na mino ianao na tsy. Na ny mety eritr’eretina ho mpiady mahery na ny mihevitra ny tenany ho manana ny fahefana toy ny « terroriste » izay mety azo lazaina hoe tsy maty manota aza dia tsy maintsy ho faty ihany. Ny fahafatesana ihany koa dia tsy mampilaza na miera aloha fa tampoka no hiaviny. Na izaho miteny na ianao mihaino na mamaky dia tsy maintsy andalovana. Mety nitomany aho omaly satria nidona-mpahoriana fa mety ho anjarako indray no hitomaniana amin’ny andro iray izay andaharan’ny Tompo azy. Mampieritr’eritra sy maha-lasa saina izany.
Betsaka no tsy manaiky hoe misy ny fiainana aorian’ny fahafatesana nefa tsy manakana andra-fahafatesana tsy ho avy izany. Samy manana ny fomba ahafatesany ihany koa ny olona tsirairay satria Balama Mpaminany dia nangataka tamin’Andriamanitra mba ho toy ny fahafatesan’ny olo-marina ny fahafatesany. Ary raha mandinika ny tantaran’ny stefana izay notora-mbato ianao dia teo ampialana aina izy no nahita mamirapiratra dia ny voninahitr’Andriamanitra.
Raha adika dia hoe tamin’ny fifaliana no nandaozan’i stefana ity tany ity.

Fehiny, ny fihavian’i Jesosy dia teny faminaniana ary tsy maintsy ho avy. Ny fahafatesana ihany koa dia làlana tsy maintsy alehan’ny olo-mbelona rehetra. Fa ny fanotaniana dia hoe manahoana ny hanomana-ntsika ny fotoana hiala-ntsika eto amin’ity tany ity. Azo homanina tsara mihitsy ny fialana ety. Vonona ve ianao ra ho faty ianao androany? Tsy misy tahotra, tsy misy ahiahy? Mbola tia antsika Jesosy manaitra antsika indray amin’ity fotoana ity dia ny hiomanan-tsika ny amin’ny zavatra mety ho avy. Mba hiatrika izany amin’ny fandresena na ny fiavian’i Jesosy na ny fahafatesana.
Mba afaka hilaza isika tsirairay fa efa nahavita ny fiazakazahana tahaka an’i Paoly.

2 Timoty 4:7-8

7 Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho;
8 hatrizao dia tehirizina ho ahy ny satro-boninahitry ny fahamarinana, izay homen’ ny Tompo, Mpitsara marina, ho ahy amin’ izay andro izay; ary tsy ho ahy ihany, fa ho an’ izay rehetra tia ny fisehoany koa.

Efa vonona i Paoly handray ny satroboninahitra izay ho azy.
Manahoana izao sy ianao. Maniry aho mba hifankahita any an-danitra isika. Amboary raha mbola misy zavatra tsapanao tsy mety eo amin’ny fiainanao. mba ananao antoka fa tsy misy zavatra mitazona anao intsony eto amin’ity tany fandalovana ity.

Amosa 4:12

12 Koa izao no hataoko aminao, ry Isiraely, – satria hanao izany aminao Aho, dia miomàna hihaona amin’ Andriamanitrao, ry Isiraely ô.

Teny nampitondrainy ny Mpanompony Pastera Toky