Fiainana vaovao

8 janvier 201720 h 03 min

Misaotra an’Andriamanitra lehibe raha mbola afaka mizara eto indray androany. Misaotra an’Andriamanitra koa satria mbola nomeny tombon’andro izaho sy ianao noho ny famindram-pony lehibe.
Ny teny ho zaraina androany dia mikasika ny toetra an’Andriamanitra tia manao zavatra vaovao.
Mino aho fa hanova ny fomba fijerinao ny famakianao ity an-dalan-tsoratra vitsivitsy ity.

Isaia 43:18-19

18 Aza mahatsiaro ny lasa, na misaina ny taloha.

Apokalypsy 21:5

5 Ary hoy Ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana: Indro, havaoziko ny zavatra rehetra. Ary hoy koa Izy: Soraty; fa mahatoky sy marina ireo teny ireo.

Feno fisaorana an’Andriamanitra isika satria mbola tiany izaho sy ianao. Amin’ity androany ity dia te-hiteny amin-tsika indray Andriamanitra fa manana fiainana vaovao omena anao Izy androany.
Raha Jerena ny voalazan’ny bokin’ny Isaia mpaminany dia manambara Isaia mpaminany hoe « Aza mahatsiaro ny lasa ». Amin’ny vanim-potoana toy izao no fitanisan’ny akamaroan’ny olona ny lasa rehetra tany aloha tany. tao ny mampalahelo, tao ny mangidy, tao koa anefa ny nahafinaritra. Tsy lavina fa zavatra nandalo tamin’ny fiainan-tsika ireny rehetra ireny kanefa eto ny tenin’Andriamanitra izay nampitondrainy an’i Isaia dia milaza hoe aza matsiaro ny lasa. Tsy hahatsara anao anie ny fitanisanao ny lasa rehetra tany aloha tany e. hitondra faha-kiviana ho anao ny fahatsiarovanao ny mangidy netin’ny taona 2016 ka tsy hanananao fanantenana intsony hahita zavatra vaovao eo amin’ny fiainanao. Ary ny olana dia izay fahatsiarovana ny lasa izay no ataon’ny devoly fitaovana anankiviana anao. Ka rehefa kivy ianao dia mazava ho azy fa tsy hanana finoana sy fanantenana intsony eo amin’ny fiainanao na eo amin’ny lafina ara-nofo na ny ara-mpanahy. Mety nisy fotoana ohatra ianao latsaka teo amin’ny ara-mpanahy tamin’iny taona lasa iny. Dia mieritr’eritra ianao hoe za ve dia mbola ho henonin’Andriamanitra ihany? Mamporisika anao ny tenin’Andriamanitra fa aza matsiaro ny taloha. Ny tsy fisainanao ny taloha dia mampitombo indray ny fanantenanao hanao dingana vaovao.
Manana fikasana tsara ho anao ange Andriamanitra e! ahoana hoy Izy ao amin’ny bokin’ny isaia ihany.

Isaia 43:18-19

19 Indro, Izaho efa hanao zava-baovao, Koa ankehitriny dia efa miposaka izany; Tsy hahalala izany va hianareo? Eny, any an-efitra no hanaovako làlana Ary any amin’ ny tany lao no hasiako ony;

Tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao fa ny angatahan’Andriamanitra aminao dia voalohany amboary aloha ny fifandraisanao amin’Andriamanitra, faharoa dia aza misaina na mitanisa ny taloha intsony. Avelao zay efa lasa ho omban’ny lasa ary fahatelo dia manana fianoana fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra.
Raha ireo no tanterakao dia minoa fa tsy hitovy amin’ny izay efa noeritr’eretinao intsony ny fiainanao ao aoriana.

Teny nampitondrain’ny mpanompony Pastera Toky