Tokony hanana tanjona ianao

1 janvier 201720 h 44 min

Miarahaba anao nahatratra ity taona 2017, nohon’ny fahasoavan’Andriamanitra dia mbola velon’aina isika rehetra nahatratra izao taona vaovao izao. Matetika isika rehefa taona vaovao tahaka izao dia manao jery todika ny taona lasa. Inona no vita, inona no tsy vita, inona no mbola mila ezaka. Ny tena ho zaraina androany dia ny hoe mila manana tanjona isika na amin’ny ara-nofo, indrindra amin’ny ara-panahy.

Filipiana 3:13-14

13- Ry rahalahy, tsy mbola ataoko fa efa nahazo ny tenako; fa zavatra iray loha no ataoko; manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha,
14- eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan’ ny fiantsoan’ Andriamanitra any ambony ao amin’ i Kristy Jesosy.

Raha nanoratra ity Paoly Apostoly dia ny tanjony dia ny hanao ezaka vaovao isan’andro. Betsaka no ezaka efa vitany teo aloha nefa noheveriny ireny ho toy mbola tsy nisy izany ary manao ezaka vaovao indray ho an’ny andro vaovao manaraka mba hahazoana ny loka dia izay niantsoana azy ao amin’ny fanompoana.
Mazava ny tian’ny teny ambara ny amin’ny tanjona apetrak’i Paoly ho tratrarina. Manaona ny ahy sy ny anao? Mba efa nosain-tsaininao ve ny tanjonao amin’ity taona 2017 ity? Raha ny planin’Andriamanitra ho an’izay mahatoky azy dia toerana ambony sy misandratra. Araky ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Abrahama ohatra dia hoe  » Ataoko ho ambonin’ny firenena rehetra ianao ». Tian’Andriamanitra ianao rahalahy sy anabavy hanana fijery lavitra amin’izao fanompoana azy izao. Marina fa Andriamanitra no mametraka an-tsika amin’ny tanjona izay tiany hametrahana an-tsika fa isika koa mila mangetaheta. Heta heta hita amin’ny alalan’ny fihetsika na mety ho karazana ezaka maro samy hafa amin’ny asan’ny Tompo. Raha manaiky ho tarihin’ny fanahin’Andriamanitra ianao dia tsy ho faty antoky ny fahavelomanao. Tsy tanjona ho amin’ny fahaverezana no hitondrany anao fa fiainana mandrakizay.

Romana 8:14

Fa izay tarihin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no zanak’ Andriamanitra.

Tsy maty antoky ianao raha manolotra ny fiainanao tanteraka ho an’i Jesosy mba ho fiasana tsara eo am-pelantanany. Azonao atao tanjona tsara izany amin’ity taona 2017 ity. Ho an’izay efa ao anatin’ny fanom-poana dia afaka mametraka tanjona ianao eo amin’ny ezaka ataonao eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra.

Teny netin’ny mpanompony Rahalahy Hezekia