Mbola tia anao Jesosy

25 décembre 201620 h 27 min

Amin’izao fahatongavan’ny noely izao dia zava-dehibe ny miresaka ny antony nahatongavan’i Jesosy Kristy tety an-tany.
Araka ny voalaza ao amin’ny epistily nosoratan’i Jaona dia tonga Izy mba hananatsika fiainana mandrakizay.

Jaona 3:16

Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.


Manana anjara amin’izany fiainana mandrakizay izany ve isika na dia mpanota aza? Ho ahy sy ho anao mpanota indrindra no nanolorany ny tenany teo ambonin’ny hazofijaliana.

Romana 5:8

Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.

Fony isika vao teraka dia efa nandova ny ota avy tamin’ny alalan’i Adama sy Eva. Ohatra, Ny zaza raha vao kely dia efa mahay mandainga nefa tsy nisy nampianatra azy. Avy aiza ary? Izay ilay ota nolovaina.
Araka ny voalaza tetsy ambony dia fitiavana ahy sy anao ho mpiara-mandova amin’i Kristy no nahatongavany tety ambonin’ny tany. Mety efa ao anatin’ny fanompoana ianao nefa tsapanao hoe mbola betsaka ny zavatra tsy mety na tsy maha-tanteraka anao eo amin’ny fianam-panahinao. Mbola nomen’Andriamanitra tombon’andro isika dia mbola afaka tsara manitsy ny lalan-tsika. Mitondra izany eo ampototry ny tongotr’i Jesosy. Fa tsy tonga Izy mba ho Tompoina na dia zanak’Andriamanitra aza fa mba Hanompo.

Matio 20:28

Fa tahaka izany, ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

Araraoty ary ny tombon’andronao mba hanonerana ny taona lasa tao anatin’ny tsy fahalalana. Tia anao Jesosy.
Teny nampitondrainy ny mpanompony Rahalahy Ezekia