Ny tena Kristianina

18 décembre 201619 h 46 min

Manahoana moa ny toerana misy an-tsika eo amin’ny maha-kristianina an-tsika. Fandinihan-tena tokony ataon’ny tsirairay isan’andro izany mba hanana-tsika « repère » eo amin’ny ara-panahy.

Jaona 4:23

Fa avy ny andro [Gr. ora] , sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.


Raha mandinika kely ianao dia misy teny io hoe « tena mpivavaka », zany hoe raha alaina an-keviny dia hoe misy koa ny tsy tena mpivavaka fa mivava-bavaka. Zay ilay mampanotany tena hoe aiza no tena toerana tokony hisy an-tsika ilay tena mpivavaka ve sa ilay tsy tena mpivavaka. Toa mba miavaka amin’ny maro iany raha eo amin’ny anarana satria hoe Kristiana nefa kristiana sandoka raha izay no azo ilazana azy. Toa mba manaraka ny fanaon’ny Kristianina ihany nefa tsy ahitana voa (voa mendriky ny fibebehana). Ny eto ambonin’ny tany anie vita ihany e! fa rehefa tonga eo amin’ilay fitsarana dia hanaoana? Ahoana hoy ny soratra masina?

Matio 7:21

Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra.

Tsy olona any ivelany ireo manao Tompoko Tompoko ireo fa olona mba nahalala ihany kanefa tsy nanana anjara tamin’ny fanjakan’ny lanitra satry nahoana? satria tsy nanao ny sitrapon’Andriamanitra. Fehiny, raha efa mahatoky amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ianao dia tohizo ny dianao fa izay maharitra hatramin’ny farany no hovonjena. Ho anao izay efa nahalala ihany nefa tsy tena te-hiditra lalina dia manaitra anao ndray ny tenin’Andriamanitra fa ho diso fanantenana ianao raha manohy ny dianao amin’izao lalanao izao. Mamoaza ilay voa mendriky ny fibebahana. Amin’ny toetra, amin’ny fiteny, amin’izay rehetra ataonao dia tokony hita taratra eo aminao fa niova ianao. Ny mazava tsy afaka mitoetra eo amin’ny maizana ary ny maizina tsy tafatoetra eo amin’ny mazava. safidy no omena anao. Ataovy tsara ary ny safidinao.
Hafatra netin’ny Mpanompony Rahalahy Naivo