Manana anjara amin’ny fanompoana izaho sy ianao

12 décembre 201610 h 03 min

1 Korintiana 15:19

Raha amin’ izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’ i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.


Sambatra ianao raha mbola nomen’Andriamanitra tombon’andro. Ny andro mivadika ho volana, ny volana mivadiko ho taona sns. Mametraka fanotaniana hoe  » Fa inona moa izany no antony ahavelomako e! « . Raha efa ao anatinao Jesosy dia niteny ianao hoe Kristy no antony ahavelomako. Raha Kristy no antony ahavelomatsika dia inona ary no antenain-tsika ny amin’izao fiainana izao. Raha ny fiainana eto ambon’ity tany fandalovana ity dia tsy misy azo antenaina. Jesosy nilaza hoe « eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana ». Kanefa ao anatin’izany dia « voafehy manodidina isika nefa tsy tery » hoy Paoly Apostoly. Raha ny niantsoana antsika sy nifidianana an-tsika dia ny handova ny fiainana mandrakizay, tsy ho ahy irery na ho anao irery fa ho an’ny manodidina anao koa. Manana anjara izaho sy ianao hiantso ny manodidina mba hananantsika fiainana dia ilay fiainana miaraka amin’i Kristy Jesosy.
Ny fiainana eto ambon’ny tany dia efa voalazan’i Jesosy fa ho avy Izy mba hanantsika fiainana dia fiainana be dia be ary ambon’izany dia ny fianana mandrakizay fa katsaho aloha ny fanjakan’ny lanitra sy ny fahamarinana dia anampy ho anao ny zavatra rehetra.

Mampahery anao ny tenin’Andriamanitra amin’ity herin’andro vaovao ity dia ny mba hizara izany fiainana be dia be miaraka amin’i Jesosy izany amin’ny manodidina anao.

Toriteny netin’ny mpanompony rahalahy Naivo