Maniry ny hahita voa aminao Jesosy

5 décembre 201618 h 26 min

Jaona 15:1-7

Ny fanoharana ny amin’ ny voaloboka sy ny sampany, ary ny firaisan’ i Jesosy sy ny mpianany

1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
2 Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny [Gr dioviny] , mba hamoa bebe kokoa.
3 Efa madio rahateo hianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko.
5 Izaho no voaloboka, hianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
6 Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
7 Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.

Ity tenin’Andriamanitra ity dia teny entina indray ampaherezana an-tsika amin’ity herin’andro vaovao ity.
Mapahery ny tenin’Andriamanitra satry maneho ny zava-miafina ny amin’ny fanjakan’ny lanitra Izy. tsy izay ihany anefa fa na ny fiainan-tsika an-davan’andro koa aza.

Ny teny dia manao hoe Jesosy no voaloboka ary isika no sampany. anisany miverina matetika ity voaloboka ity teo amin’ny tantaran’i Jesosy. ary eto dia nalainy nataony fanoharana mihitsy ny amin’ny tenany. ny sampam-boaloboka dia rantsana eo amin’ny voaloboka ary eo amin’ny rantsany na ny sampany no mivoaka ny voany.
Ra Afohezina dia hoe tsy afaka ny hamoa voaloboka ny sampany ra tsy miray amin’ny tena voaloboka. raha misaraka amin’io voaloboka io ny sampany dia sady tsy hamoa no ho faty ihany koa.
Mety mbola eo amin’ny voaloboka ihany izy nefa rehefa tsy ahitana voa dia ho rantsanana koa ireny satry tsy mamoa ka hatsipy ao amin’ny afo mba ho dorana.

Ry mpamaky, te ho tsapanao ve izany hoe tsiron’ny tany hoentin’ny voaloboka izany? Te ho tsapanao ve zany hoe loharano miboiboika tsy mety ritra, mitondra fitsaharana izany? mangetaheta ny hahatsapa ny herin’Andriamanitra ve ianao. Tsy maty antoka ianao ra miray amin’ny Jesosy. Miray fo, saina sy fanahy. Izay hirinao dia ho azonao ra miray amin’ny tena voaloboka ianao.

Izaho no voaloboka hoy Jesosy ary maniry anao mba ho sampana mamoa Izy.
Ny voa eto dia ny vokatra tsara entin’ny tenin’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao (Ny finoana, fitiavana, fahatsaram-panahy …) anjaranao no mba manohy azy. Tsy ho mpiaino fotsiny ihany fa ho mpakatoa ny teny.

Iano dia ho tena sampany mamoa be. Amen

Teny nentin’ny mpanompony Rahalahy Ezekia.