Manao izay mahakasika ny fon’Andriamanitra

28 novembre 201611 h 05 min

Lioka 7:37-38

37 Ary, indro, nisy vehivavy mpanota tao an-tanàna, ka rehefa fantany fa Jesosy nipetraka nihinana tao an-tranon’ ilay Fariseo, dia nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra izy;
38 Ary nijanona teo ivohony tanilan’ ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ ny menaka manitra.


Raha vakinao ny tantara dia io vehivavy voalaza io dia mpanota araky ny fijerin’ny manodidina azy. Ary mety ho nametraka ny tenany ho mpanota koa aza ravehivavy ka tsy mendrika na dia ny hanoroka ny tongotr’i Jesosy aza. Nanetry ny tenany izy satry te ho voavela heloka, hiala aminy toerana nisy azy teo aloha dia ny fahotana sy ny fijerin’ny olona azy ho ratsy fitondratena. Nahakasika ny fon’i Jesosy ny fihetsika nataony dia ahoana hoy Jesosy?

Lioka 7:47

Ary amin’ izany dia lazaiko aminao: Voavela ny helony be, fa be fitiavana izy; fa izay voavela tamin’ ny kely dia kely fitiavana.

Ny tantara faharoa dia ny momba ilay vehivay nanjanaka vavy nampahorian’ny demonia.

Matio 15:22-27

22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’ izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’ i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ ny demonia loatra.
23 Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
24 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ Isiraely.
25 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
26 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely.
27 Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ ny latabatry ny tompony ihany.

Raha namaky ianao dia azonao antsaina ny zavatra notenenin’i Jesosy. Fa na dia tsy nanana anjara aza izy dia nahazo satry nahoana? Nahakasika ny fon’i Jesosy ny finoany. tsy azo haozongozona, tsy laitra ankifika, finoana matanjaka. nampagiana azy ny mpianatra fa tsy nety nangina izy. Tsy nanakivy azy ny fanoharan’i Jesosy azy tahaka ny amboakely.
Betsaka ny tantara ao anaty baiboly maneho fihetsika manetsika ny fon’Andriamanitra fa santionany ihany ireo.
Ny fanotaniana dia hoe Mba te hahita ny voninahitr’Andriamanitra ve ianao? Dinio, sain-tsaino ireo teny nomena ireo dia ho tsapanao hoe hatraiza no vitan’ny olona iray rehefa misy zavatra tadiaviny. Mba hatraiza re ny hezeka vitanao mba ahazoana ny fon’i Jesosy e! Anjaranao no mamaly azy. Ny zavatra misy dia izao hoe rehefa tanteraka izany dia miseho ny voninahitr’Andriamanitra. Amena ho anao. Dia mirary herin’andro mafinaritra ho anao indray.
teny noentin’ny Mpanompony – Rahalahy Emile