Mahita ny voninahitr’Andriamanitra

21 novembre 201610 h 07 min

Joba 42:2

Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao.

1 Jaona 1:3-4

3- izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany.
4- Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika [Na: fifalianareo].

Ny hafatra ho anao amin’ity herin’andro vaovao dia ny voninahitr’Andriamanitra.
Tsy lavitra anao ny fahasoavan’Andriamanitra ra mangetaheta ianao. Ianao no mila mangetaheta
I Mosesy dia nangetaheta ny hahita ny voninahitr’Andriamanitra dia nahita.

Eksodosy 33:18

Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.

Tsy diso anjara teo anatrehan’Andriamanitra i Mosesy ra nangataka ny hahita ny voninahiny.

Eksodosy 33:19

Fa hoy kosa Jehovah: Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao ka hanonona ny anaran’ i Jehovah eo anatrehanao; fa hiantra izay hiantrako Aho, ary hamindra fo amin’ izay hamindrako fo.

Tsara Jehovah, Mpamindra fo sy miantra Izy. Anjaranao indray izao no mahita ny voninahitr’Andriamanitra androany. Aoka ho tononinao eo amin’ny molotrao isa-maraina fa hahita ny voninahitr’Andriamanitra ianao. Jesosy homba anao amin’ity herin’andro vaovao mahafinaritra ity. Amen

Teny napitondrainy ny mpanompony. Rahalahy Ezekia