Olona tahaka ny aona no tadiavin’Andriamanitra

14 novembre 20169 h 11 min

Jaona 4:20-24

20 – Ny razantsika nivavaka teto amin’ ity tendrombohitra ity; fa hianareo kosa milaza fa any Jerosalema no tokony hivavahana.
21 – Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, minoa Ahy, fa avy ny andro ka tsy amin’ ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ ny Ray.
22 – Hianareo mivavaka amin’ izay tsy fantatrareo; izahay kosa mivavaka amin’ izay fantatray, satria avy amin’ ny Jiosy ny famonjena.
23 – Fa avy ny andro [Gr. ora] , sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny fanahy sy ny fahamarinana; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany.

Betsaka ny olona no mivavaka saingy tsy mahalala ny zavatra tadiaviny sy tena ilainy. Ao ny mihevitra fa fitadiavana vola sy harena ny fivavahana. Ao ny mihevitra ihany koa fa fitadiavana voninahitra sy laza na ho entina hanatsara ny endrika ivelany eo amin’ny fiaraha-monina ny anarana hoe kristiana.

Miantso anao Jesosy ankehitriny. tadiavo amin’ny fonao, ny sainao sy ny fanahinao rehetra Jesosy. Tadiavo ny fahamarinana fa fahamarinana no hanafaka anao tsy ho andevo ( andevon’ny fahotana sy ny filana eto amin’ity tany mandalo ity).

2 Timoty 2 : 22

Fa mandosira ny filan’ ny tanora fanahy; ary miezaha mitady fahamarinana, finoana, fitiavana, fihavanana amin’ izay miantso ny Tompo amin’ ny fo madio.

Toriteny – Rahalahy Naivo