Andro fankasitrahana

4 mars 201618 h 52 min
« Misaora an’Andriamanitra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra » Efesiana 5:20
« Ary aoka ho feno fisaorana ianareo… » Kolosiana 3:15

Ry havana malala,
Ataoko fa fantatrao fa misy firenena roa eto ambonin’ny tany manokana andro iray isan-taona hisaorana an’Andriamanitra ka ataony hoe « Thanksgiving Day » io andro io, dia ny USA sy ny Canada ihany.

Nahoana loatra angaha?
Ny governoran’i Massachusetts no nanambara  voalohany azy ho « Thanksgiving Day » telo taona taorian’ny nahatafapetraka ny mpivahiny tao Plymouth, satria nomen’Andriamanitra ny  tany ny mpanjanaka ka : nahavokatra be, afaka nanjono sy nanarato tsara, niompy sy nahazo fiarovana tamin’ny ireo fahavalony rehetra sy ny aretina rehetra.
Nahatonga azy ireo hanokana fotoana izany mba hiderana an’Andriamanitra araka ny safidiny malalaka.
Ny Filoham-pirenena voalohany teto Etazonia no nankalaza ny « Thanksgiving » dia Georges Washington. Fa  Thomas Jefferson, izay Filoha faha-3 kosa dia nanapaka izany taty aoriana.
Tamin’ny ny taona 1863 dia napetraky ny Filoha Abraham Lincoln ho ny Alakamisy faha-4 ny volana Novambra io Androm-pankasitrahana an’Andriamanitra io. Kanefa taty amin’ny taona 1941 vao nanapaka azy ho fetim-pirenena ofisialy ny « Kongresy amerikana ».
Tsapan’ny mpitondra hatreo fa mila miato kely aloha ka misaotra an’Andriamanitra.
Mahalasa fisainana io elanelam-potoana lava io(1963-1941)? Mialohan’ny hiatrehana ny Ady Lehibe Faha-2, dia mila miato kely aloha ka misaotra an’Andriamanitra.
Firenena kristiana tokoa ny US tamin’ny izany ka nahatsapa tsara fa na dia eo aza ny olana maro hatrehana dia mbola mitohy mitahy azy foana Andriamanitra ka tokony hisaorana.
Ankehitriny anefa inona no mitranga ?
Mampalahelo fa toa lasa lanonam-pianakaviana sy fifanasam-pifankatiavana (party) hihinanana vorontsiloza sisa no hankalazan’ny olona izany hoe : « Thanksgiving » izany !
Raha tokony ho vavaka fiderana sy fisaorana an’Andriamanitra no betsaka.
Ianao koa :
Moa mba manokana fotoana hisaorana ny Tompo ve ianao eo amin’ny ny fiainanao?
Fa hoy ny Baiboly :
– « Miravoravoa koa amin’ny Jehovah ianao dia homeny anao izay irian’ny fonao » Salamo 34:4
– « Misaora an’i Jehovah ry fanahiko… » Salamo 103:1-3
Aza miandry hoe rehefa avy nandresy ihany vao hisaotra fa na dia ao anaty ady aza dia derao ny Tompo, eny miatoa kely ka aoka ho feno fisaorana toy ny nataon’ireto Filoha US ireto dia ho hitanao fa anisan’ny antoky ny fahombiazana izany satria : Mitoetra eo ambonin’ny fideran’ny olony Izy. Salamo 22:3
Hira 121 : Isao ny fitahiana azonao
Isao ny fitahiana azonao
Jereo izay nataon’ny Tomponao
Isao ny soa izay noraisinao
Dia ho hitanao izay nataon’ny Tompo.
Fr. Jaona (Nov 2011)