Vavaka tsy mitsahatra
13 avril 202519 h 13 min
Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho antsika mpanaraka ny teny zaraina eto. Tsy ho vaovao aminao raha hiresaka ny amin’ny vavaka isika androany kanefa dia mbola betsaka isika no tsy mahazo valim-bavaka. Fanahoana ary, mety ho diso fangataka ve? sa mangataka tsy amin’ny finoana. Araka ny tenin’Andriamanitra hoe Izay manantona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa mamalisoa izay mitady azy. Tena Loha-hevitra lehibe anankiray tsara dinihina manokana ny amin’ny vavaka satria io ihany no fomba afahantsika miresaka amin’Andriamanitra Raintsika. teny nentin’i Pastera Naivo
