Varavarana avela hisokatra sa ??
30 mars 20269 h 42 min
Ny fiainana hiainantsika andavan’andro dia mitondra antsika eo amin’ny fotoana izay ilantsika fanapahankevitra matetika. Azo lazaina ho toy ny varavarana ireny ary isika no mandray ny fanapahan-kevitra na hanokatra ny varavarana na tsia. Ny fanotaniaina tsy maintsy hipetraka dia ny hoe Inona no ao ambadiky ny varavarana. Mety hitondra soa sa hitondra ratsy eo amin’ny fiainantsika. Hiankinan’ny fiainantsika foana izany rehetra izany na ny fiainantsika manokana na ny manodidina antsika. Tsy misy hafatsy ny tenin’Andriamanitra ihany no hafaka hanazava ny lalana rehetra izay alehan-tsika. Pastera Naivo
