Tsy misy hafa fa iray ihany

20 juin 202116 h 20 min

Miarahaba ny Ray rehetra nahatratra ity andro androany ity. Ho fitahiana ho an’ny ankohonanao mandrakariva anie hianao. Sambatra ny ankohonana manana raim-pianakaviana tia manompo an’Andriamanitra. Raha natsoina ho amin’ny fanompoana isika dia tsy nanavaka na iza na iza Andriamanitra na ny volok’hoditra na ny toerana niavina … na inona na inona mety fifahasamy hafana dia nataon’Andriamanitra ho iray isika ao amin’ny fanjakany. Hevero izany zavatra izany sao dia mety hampivoana anao eo amin’ny fanompoanao an’Andriamanitra. teny nentin’i Pastera Naivo