Tsy misy fahefana
8 décembre 20258 h 12 min
Na dia mihezaka araka izay heveriny amin’ny sainy sy ny heriny aza ny olo-mbelona na eo ami’ny fiainany na eo amin’ny ara-panahy dia toa tsy manana fahefana ny amin’ny ampitso. Manana ny maha izy azy eo amin’ny fiaraha-monina kanefa toa lasa sahirana, toa heverina ho avo sy nahavita be tamin’ny asan’ny Tompo kanefa toa lavon’ny aretina ihany. Tsy misy hafaka ny hamaritra izay ho fiahafarany mialoha. Izay no hametrahantsika ny ho avin-tsika eo ampelatanan’Andriamanitra. Teny nentin’i Pastera Hezekia
