Tsy maty fa matory

7 novembre 202113 h 11 min

Misaotran’ny Tompo indray isika nomeny tombon’andro anio. Tsy very maina ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo. Mbola manana teny ambara amiko sy aminao indray Izy androany.

Mandalo tokoa ny fiainan’ny zanak’olombelona eto ambonin’ny tany. Toy ny aloka, mandalo dia lasa. Tsy maintsy mitondra alahelo foana ny fisarahana an-tany. Izay ilay fahafatesan’ny nofo fa ny fanahy kosa dia velona mandrakizay. Ho velona ho amin’ny fahafatesana sa ho fiainana mandrakizay? Raha efa nanolotra tanteraka ny fiainanao ho an’i Jesoy ianao dia fandalovana ny fasana fa hifoha indray ianao ka velona fa raha very ny fanahinao dia ho fijaliana mandrakizay. Teny nentin’i Pastera Rivo