Tsy maintsy hifarana

15 octobre 202318 h 54 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho amin-tsika tsirairay avy. Ry havana malala, raha miverimberina ny teny zaraina dia mbola fotoana handinihatsika tena indrindra amin’izao vanim-potoana sarotra izao. Efa tena vonona ve isika hiatrika ny zavatra hiseho ao aoriana fa na inona na inona dia tsy maintsy ho tanteraka ny teny faminaniana ny amin’ny fihaviana. Ao anatin’izany dia mety ho avy ny fahoriana izay tsy maintsy hihatra amin’izao tontolo izao. Ny azo antoko anefa dia manana ilay mpampahery isika hiara-hiatrika ny lalana izay tsy maintsy diavina. teny nentin’i Fr Emile.