Midera anao aho Jehovah ô

14 octobre 20237 h 33 min

Ny fahasovan’ny Tompo hatrany anie ho amin-tsika tsirairay avy. Nohon’ny famindram-pony dia mola hafaka hatrany mandray teny zaraina eto isika. Tena zava-dehibe ny fideran’tsika an’Andriamanitra. Izy no nahary antsika, Azy isika hatramin’ny famoronana kanefa tsy mitoetra eo aminy satria navilin’izao tontolo izao ny fo sy ny saintsika. Ary novidin’i Jesosy indray tamin’ny rany na dia efa Azy aza isika. Mitondra vokatsoa maro eo amin’ny fiainan-tsika ny fiderana an’Andriamanitra isan’andro. satria dia mandray ny fiderana Azy ho zava-dehibe Andriamanitra. teny nentin’i Fr Tiana