Jesosy no fitsaharana

12 octobre 202313 h 36 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao sy ny ankohonanao. Ny teny zaraina androany dia ny amin’ny fitsaharana. Maro ny antony hitadiavan’ny zanak’olombelona fitsaharana. Ao ny manana olana saro-bahana efa nitadiavana fitsaharana fa tsy nahita. Ao ny tsy mananam-piadanam-po mivezivezy mitady fitsaharana fa to mandrak’ankehitriny dia mbola tsy nahita ihany. Jesosy ilay tena fitsaharana. Maniry ny hahazo fitsaharana ve ianao? Mba andramo indray Jesosy e. teny nentin’i Fr Rivo