Jesosy ô! mitenena

19 octobre 20237 h 55 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho amin-tsika panaraka ny teny zaraina eto. Miezaka mandrakariva mizara eto mba ho fampaherezana antsika tsirairay avy. Na dia eo aza ny toe-javatra maro samy hafa miseho amin’izao fotoana izao dia maniraka ny mpanompony mandrakariva Andriamanitra hilaza hafatra fampaherezana sy toro-lalana amintsika. Ny hafatra dia hoe avelao Jesosy hiteny. Mety betsaka ny hevitra mande ao anatin’ny saina manoloana ny olana, ao ny efa niala nenina taminy hevitra maro samy hafa fa tsy nahita vokatra. Misy hafatra lanokana ho anao andrasan’i Jesosy aminao. Avelao mba hiteny Jesosy ary e. Teny nentin’i Fr Emile