Ho toriana ny fahamarinana

21 octobre 20238 h 24 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho amin’ny tokatrano mangetaheta ny filazan-tsara. Tsy ataon’i Jesosy ambanin-javatra ny fahazotoanao manaraka ny teny zaraina eto fa aina ho anao izany. Mila misakafo fahamarinana mandrakariva ny fanahin-tsika satria isika mbola eto amin’izao tontolo izao ary tsy fahamarinana ihany no toriana eto amin’izao tontolo izao fa betsaka ny fampianarana sy ny fahendrena mampivily ny tena fahamarinana. Mbola mangetaheta ny fahamarinana ve isika? angatao ny teny fahamarinana hitoetra tsara ao anatinao ary tsy ho hadinotsika ny hitondra am-bavaka ireny iraka nampitondraina ny hafatra ireny mba tsy hiova eny andalana ny hafatra ho ampita amintsika. teny nentin’i Fr Emile