Mahareta aza miova

22 octobre 202316 h 24 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho amin’tsika tsirairay avy. Mbola te hampatsiahy indray ny tenin’Andriamanitra androany fa vanim-potoana sarotra izao fotoana hiainan-tsika izao. Samy maheno ny zavatra mitranga eny amin’ny fampilazam-baovao eny isika tsirairay avy. Betsaka ny reraka, ao ny kivy kanefa mila mifantoka indray isika fa Jesosy efa nandresy izao tontolo izao. Mila maharitra isika fa Jesosy efa nilaza fa tsy maintsy ho avy izany rehetra izany. Izay maharitra hatramin’ny farany no hisatroka ny satroboninahitry ny fiainana. Teny nentin’i Fr Naivo