Tsarovy ny fananganana ny tempoly

4 décembre 201710 h 22 min

Ad70Ry havana, Misaotra an’Andriamanitra aho fa mbola nomen’Andriamanitra ahy sy anao ny famindram-pony. Betsaka ny zavatra efa noraisinao tamin’Andriamanitra na teto amin’ny onjam-peo na tamin’ny toerana maro samy hafa. Mba manana hafatra hambara aminao aho androany. Mino aho fa mbola mihinana tsara sy mitafy tsara ianao kanefa mba tsaroanao ve ny asan’Andriamanitra sy ny mitondra am-bavaka azy ireny. Tsy ataonao latsa-danja ny aminao sy ny ankohonanao ary izay indrindra no mbola hanentanana anao mba ho mihoatra noho izany ny hanaovanao ho zava-dehibe ny fanohanana ny asan’Andriamanitra na am-bavaka na amin’ny izay hevitra hitarihin’ny Fanahy Masina anao. Teny netin’ny mpanompony rahalahy Naivo