Toem-panahy mahataona
27 octobre 20257 h 00 min
Manahoana ny toem-panahintsika rehefa eny amin’ny fiarahamonina eny. Mbola ilay toem-panahy hitovizana amin’ny olona mbola tsy nadray an’i Jesosy ve? Isan’andro no andinihantsika tena eo anatrehan’Andriamanitra satria isika dia fitaovana na hitaona olona ho amin’ny fanjakan’ny lanitra na hitaona olona hiteny ratsy ny anaran’Andriamanitra. Mbola fotoana izao afahantsika mandintena ary hangataka amin’Andriamanitra ny mba hananantsika ny fanahin’ny fitiavana, ny fanahin’ny fahononantena sy ny hery. teny nentin’i Pastera Emile
