Mety ho voaray ve ianao?
19 octobre 202516 h 26 min
Mihazakazaka ny fotoana ry namako, ao anatin’ny fotoana fohy de mety miova 180° ny fiainana. Mieritr’eritra ianao androany fa tsy hisy loza hanjoa anao. kanefa ao anatin’izany indrindra no mitranga ny tsy ampoizina. Sanatria tsy haniry loza, na fahavoazana fa vao maika aza hifampilaza fa ny fotoana rehetra omen’Andriamanitra antsika dia fotoana hiomanana amin’ny tsy fantatra. Ho aiza ianao raha miala eto. Mety ho rasin’ny lanitra ve sa ho laviny nohony amin’ny izay sadify nitondranao ny fiananao. teny nentin’i Pastera Naivo
