Ny fibebahana ve?
2 novembre 202517 h 23 min
Ilaina tokoa ve ny mibebaka? izany hoe manenina amin’ny ratsy rehetra natao ary mangataka famelana eo anatrehan’Andriamanitra mba ho voavela heloka. Isika rehefa nisy fahadisoana natao dia manana fahatsapana fa mila mangataka famelana na manao fifonana mba handravonana ny tsy nety rehetra. Te ho maivana satria novesaran’ny heloka vita. Mihoatra noho izany ny eo anatrehan’Andriamanitra. Betsaka ny zavatra ratsy izay manohatra an’Andriamanitra nataontsika dia eo anatrehany isika mila mangataka famelana mba ho voavela ny heloka ary tsy vesaran’izany intsony. teny nentin’i Pastera Hezekia
