Sain-dalin’i satana

10 novembre 202512 h 47 min

Mihevitra tokoa ve isika fa azon’ny zanak’olombelona fitahina satana ka na mody manaraka izay sitrapony aza ny olombelona dia ho afaka mora foana amin’ny ora farany. Fony mbola tsy ary ny olombelona dia nisy satana ary izany fisiain’izany no nentiny hanohitra an’Andriamanitra ka nahatonga azy nazera. Ankehitriny, isika no hitadiavany ny hevitra rehetra mba tsy hahala ny tena fahamarinana marina ka haafazany hevi-diso isan-karazany amin’ny fomba maro samy hafa eny fa na dia eo amin’ny sehatry ny fivavahana aza. Jesosy anie hanokatra ny saintsika tsirairay mba tsy ho voafitaka. Pastera Hezekia