Ny devoly dia efa natao hanakorotana

24 novembre 20257 h 06 min

Mino aho fa efa betsaka no mahalala fa ny devoly dia tsy avy raha tsy handrava sy handrodana. Izay no asany ary manao ny fomba rehetra satana mba hitondra fandravana, fahakiviana, fahapotehana eny hatraminy fahafatesana izay itondra ny olona iray ho any amin’ny fijaliana mandrakizay aza raha tsy mbola nadray ny famonjena. Fa Jesosy koa dia tonga hitondra fandresena. Araka izay efa nolazaina fa  » Izaho efa naharesy izao tontolo izao ». Ka na eo aza ny ezaka reehtra hataon’ny satana hanapotika antsika izay efa manankina ny finoany amin’ny Jesosy dia handalo ihany izany fa tsy hipetraka. teny nentin’i Pastera Hezekia