Tia anao Andriamanitra

23 janvier 20179 h 22 min

Ny teny ho entinao hamakivankiana ity herin’andro vaoavao ity dia ny momba ny fitiavan’Andriamanitra.
Andao jerena ny ao amin’ny bokin’ny Jaona 3:16

Jaona 3:16

16 Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Moa misy fitiavana lehibe mihoatra noho izany ve? Nisy fotoana tany Amparafaravola dia nisy mpino nangataka mba haka ny zanako ary hitaiza azy, hikarakara ny fianarany sy ny mety izay ahatsara azy satry ny tao anatiny dia hoe tsara ny manampy zanaka mpanompon’Andriamanitra. Kanefa tao anatin’izany dia tsy nomeko ny zanako. Fa Andriamanitra dia nahafoy ny zanany sady lahitokany mba ho any sy ho anao. Tia anao Andriamanitra. Te-hikarakara anao Izy, Te-haneo ny heriny rehetra eo amin’ny fiainanao Izy.
Nisy fotoana dia nisy anabavy iray izay mipetraka any Liban nandefa fangataham-bavaka taminy tambajotra serasera. Suicide1Tao anatin’izay no nitantarany ny olana mahazo azy. Ny olana dia tratry ny aretina atao hoe « kyste de l’ovaire ». Nalahelo mafy azy ary efa namono tena indray mande fa tsy maty. dia nampianarina azy ny tenin’Andriamanitra ary nolazaina taminy fa mbola tia azy Andriamanitra matoa mbola tsy maty izy. Tao anatin’izany dia nifanaiky hivavaka 30mn isan’andro. izy any liban ary izaho any Madagascar. Ny zavatra mahagaga nataon’ny Tompo teo amin’ny fiainany dia tao anatin’ny 2 andro monja dia tsy hita tao intsony ilay kyste. Lehibe io fitiavan’Andriamanitra io.
Tany Amparafaravola ihany koa dia nisy lehilahy iray izay nampahorian’ny devoly satry dia isaky ny alina tsy tapaka 3d-animated-monster-creature-wallpaper-cool-desktop-background-awesome-and-cool-wallpaper-images-545465446dia manofy biby be mahatsiravina ary ny seho dia ilay biby io manakenda azy ao amin’ilay nofy. eo amin’ny 12 alina eo no miseho ny nofy. ary dia mijaly satry refa tonga ny nofy dia mikikika mafy dia avy eo tsy mahita tory intsony. isan’andro izany no miseho. Ambonin’izay noho ny fanahy ratsy ao aminy dia mahalany vary iray koveta isaky ny mihinana raha hafatra dia 12 kapoaka eo. zany hoe raha in-telo isan’andro no mihinam-bary dia 12 kapoaka in-telo zany. Nandritra ny telo volana teo no nisehoani’zany. Ary rehefa tsy mahazo anzay io lehilahy io dia tezitra sy mitady hihinana ny olona manodidina azy. Isaorana Jesosy fa tao anatin’ny évangélisation izay natao no namagian’ny Tompo azy.
Seho roa no misy fa ny tanjon’ny devoly tamin’ireo dia ny hamono kanefa mbola tsy vita ny tantarany satry mbola tin’Andriamanitra izy ireo.
Mba efa nandramanao ve izany fahasoavana lehibe izany. Andao jerena ny ao amin’ny bokin’ny Romana.

Rom 8:32

32 Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?

Moa ve tsy homeny anao koa ny zavatra rehetra? Apetraho amin’ny tenanao ny fanotaniana androany. Ny ataonao nge dia ny manantona an’Andriamanitra e! fa rehefa manantona azy ianao ary mametraka ny olanao rehetra aminy dia omeny anao izay irin’ny fonao. Fahasalamana ve? misy olana efa nialanao nenina ve fa tsy voavaha ary namohifoy mitsy ianao amin’izao fotoana izao? Mbola misy fanantenana ny aminao. Antsoy Jesosy fa ao ny vaha-olana satry mbola tia anao Izy.

Teny noentin’ny mpanompony Pastera Toky