Tia anao Andriamanitra

20 septembre 202019 h 40 min

Misaotran’ny Tompo indray isika raha mbola hafaka manaraka ny teny zaraina eto androany. Tsy haintsika sain-tsainina sy eritr’eretina ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Manome anao ny izay ilainao Izy. Miaro sy mikarakara anao Izy. Mitady làlana mandrakariva Izy mba hampianarana anao ny tena fitiavany. Raha lazaina aminy teny fohy dia tena tia anao Andriamanitra. Anisan’ny fanapahakevitra lehibe indrindra noraisiny ny nanolorany ny zanany ho famonjena ahy sy anao. Mbola te haheno ny tohiny ve ianao araho ary ny toriteny nentin’i rahalahy Ezekia.