Tery ny làlana

27 octobre 201920 h 12 min

narrowisthewayJesosy anie hamangy ny tokatrano tsirairay avy indray amin’ity androany ity. Manana teny vaovao ho antsika mandrakariva Jesosy. Ny hafatra dia hoe tery ny làlana mankany amin’ny fiainana. Raha ambara amin’ny teny fohy dia tsy mora ny làlana mankany an-danitra. Samy manana ny fomba andikany ny tenin’Andriamanitra avy ny mpitoriteny tsirairay fa ny fahamarina dia Jesosy Kristy irery ihany. Izany dia mamporisika antsika mandrakariva mba handinika, tsy ho voafitaky ny fampianarana samy hafa tsy mitory ny fahamarinana. Jesosy koa anie hamangy ny fontsika tsirairay avy hahazaintsika manavaka ny làlana tena marina. teny netin’i rahalahy Ezekia.