Te ho hafaka aho

28 mars 202111 h 34 min

Jesosy anie hamangy ny tokatrano tsirairay avy indray androany. Mandalo izao fiainana izao sy ny filany fa izay matahotra an’i Jehovah no haharitra mandrakizay. Mandalo anie ny fiainan-tsika zanak’olombelona ry mpihaino malala e! Mba efa nandinika ny fiainanao ve ianao raha hiala ety amin’ity zao tontolo izao ity? Fiainana mandrakizay sa fijaliana mandrakizay? Mbola tia anao Jesosy. Tapao ny hevitrao androany. teny nentin’i fr Emile