Te ho hafaka aho

15 mai 202216 h 28 min

Misaotran’ny Tompo fa eo indray ianao androany. Mbola manana hafatra ambara amintsika ny Tompo androany. Ny hafatra dia ny hoe olona hafaka izaho sy ianao. Eo amin’ny fiainantsika dia ndraindray toa mahatsapa voafatatro amin’ny zavatra maro ary misy fiatraikany tokoa eo amin’ny fiainam-panahy tsika izany. Te ho hafaka amin’io zavatra mangeja anao io ianao kanefa tsy mety fa toa vao maika aza mitondra anao amin’ny famoizam-po. Jesosy anie hanazava bebe kokoa ny sainao amin’ny teny izay zaraina androany eto ity. Teny nentin’i Rahalahy Hezekia