Ilay mofo manome fiainana

17 avril 202217 h 56 min

Jesosy anie hitahy ny tokatrano tsirairay avy indray amin’ity androany ity. Miarahaba manokana anao nahatratra ity andro fahatsiarovana ny paska ity. Betsaka ny andron’ny paska efa nandalo teo amin’ny fiainanao. Mety manahoana ny fahatsapanao izany? Tena ilay Jesosy nitondra fiainana ho anao ve no tsapanao sa mbola toy ny andro fety ihany? Raha ny amin’izao fiainana izao ihany no anatenan-tsika an’i Kristy dia maty antoka indridra isika. Manasa anao androany sokafy ny fonao dia raiso Jesosy fa raha mandray azy ianao dia tsy ho noana sy hangetaheta intsony. Fankalazana ny paska tao poitiers ary batisa notanterahin’ny mpanompon’Andriamanitra Pastera Jaona sy Pastera Azalia