Fiainana vaovao

10 avril 202212 h 31 min

Jesosy anie hamangy ny tokatranonao amin’ity anio ity. Tsy diso anjara isika ry havana malala. Na aiza na aiza no misy anao dia efa misy sakafom-panahy omen’i Jesosy anao anio. Herin’andro sisa dia ho avy ndray ny fankalazantsika ny fetin’ny paska. Handalo fotsiny ve le fahasoavana lehibe izay nanoloran’i Jesosy ny ainy teo amin’ny hazofijaliana? Raha efa nandray ilay fahasoavana ianao dia Jesosy anie hanavao anao indray ny fanekena vaovao izay efa nataony taminao, raha mbola tsy nahazo ianao dia fotoana izao hanampahanao hevitra handray ilay fiainana vaovao izay tin’i Jesosy omena anao. teny nentin’i Pastera Emile