Tarihin’ny Fanahy Masina

29 mai 20237 h 13 min

Faly miarahaba antsika izay manaraka tsy tapaka ny teny zaraina eto. Tratry ny andron’ny pentekosta. Tena andro lehibe ho antsika ny andron’ny pentekosta satria nomena antsika ilay fanahy ny fahamarinana. Araka ny teny nataon’i Jesosy manao hoe  » fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin’ny Ray amin’ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo  » Jao 14:26. Ry havana malala, tsy mahay mande tsy misy ny Fanahy Masina isika. Mbola tsy nahazo ve ianao  » Mbola misy ny tombon’andro azohanao mangataka fa efa nomena antsika mamaimpoana izany ho an’izay mangetaheta. teny nentin’i Fr Naivo