Ambeno ny vavanao

4 juin 202316 h 19 min

Faly mandray anao eto indray androany. Mino aho fa manana hetaheta handray ny teny zaraina ianao ùatoa manokatra izao toriteny zaraina eto izao. Ny Fanahy Masina anio hikasika ny fotsika tsirairay avy indray androany. Anisan’ny taova kely amin’ny vatan’olombelona ny lela kanefa tsy voafehitsika ary maro ny loza aterany. Tena tsy hitondra antsika lavitra na amin’ny ara-nofo na amin’ny ara-panahy ry havako malala ny tsy fahafehezantsika ny vavatsika ary indrindra ny fo. Kanefa tsy misy olona hafaka hahafehy azy ra tsy ny Fanahin’Andriamanitra mihintsy no manova. Mangetaheta ny havaozina ve ianao? anagatao ny Fanahy Masina. Pasteur, Hezekia