Hanompo Azy aho

11 juin 202316 h 43 min

Ny fahasoavan’ny Tompo anie ho aminao hatrany. Ianao izay mikatsaka ny fahamarinana dia mana-kambara aminao indray ny Tompo anio. Hatraiza moa ny atao hoe fanompoana an’Andriamanitra? Ampy ve ny hoe mande any ampinagonana isaky ny alahady maraina sy hariva? Kanefa te hampatsiahy antsika indray ny tenin’Andriamanitra fa na aiza na aiza toerana misy antsika, tsy mifidy andro na ora na fotoana dia azontsika araraotina hanaovana asan’Andriamanitra. Mety hoe vavaka ho an’ny ankohonanao izany na ireo manodidina na ihany koa ho an’ny mpanompon’Andriamanitra sy ny asa maro hafa azo hanompoana an’Andriamanitra. eny fa na dia ny fandehanatsika amin’ny fahamarinana any amin’ny asa tsika aza dia efa fanompoana ihany koa. Teny nentin’i Fr Emile