Izay maharitra

22 mai 202313 h 00 min

Ho feno ny fahasoavan’ny Tompo anie ny tokantrano mampiatrano ity fandaharana ity. Ilaintsika mandrakariva ry havana malala ny manavao ny fo sy ny saina ary ny fanahy eo anatrehan’Andriamanitra. Mba haharitra isika. Tsy amin’ny segondra farany fa raha mbola omen’Andriamanitra tombon’andro isika dia hiezaka hatrany. Iza no haharitra? Jesosy no mapaharitra ny tsirairay avy. Mba tsy hisy hanao ny tenany ho ambony na ambany fa izaho sy ianao kosa dia vonona mandrakariva hijery an’i Jesosy sy hanaraka azy. Manasa anao indray hanaraka ny teny zaraina nentin’i Fr Hezekia