Ianao Manarà Ahy

14 mai 202316 h 03 min

Tia anao nge Jesosy ry namana ô, Tsy mbola tapaka Izy mampahery antsika amin’ny alalan’ny mpanompony izay hirahany hilaza hafatra eto isaky ny alahady. Ny hafatra androany dia hoe  » Ianao manarà an’i Jesosy » Raha niantso an’i Petera Jesosy dia nilaza manao hoe  » Manarà Ahy fa ataoko mpanarato olona ianao  » Dia nanaraka an’i Jesosy i Petera. Ary tanteraka teo amin’i Petera ihany koa ny asa mahagaga rehetra nataon’i Jesosy. Ary ambonin’izany rehetra izany dia nahatahiry an’i Petera hatramin’ny fahafatesana Izy. Manasa anao koa androany hanampakevitra hanaraka an’i Jesosy. Teny nentin’i Fr Jaona