Tany hanjakan’ny fahamarinana

5 novembre 202317 h 12 min

Jesosy anie hitahy anao izay manaraka tsy tapaka ny fandaharana izay zaraina eto. Ny hafatra androany dia ny hoe atomotra ny andro. Ny faran’ny dian-tsika amin’izao lalan-danitra izao ry havana dia ny ho any amin’ilay tany hanjakan’ny fahamarinana. Raha ny eto an-tany dia tsy fahamarinana no mameno ny tany. Betsaka ny mizaka ny tsindry hazo-lena sy ny mizana mitanila. Izay rehetra ren’ny sofina dia feno ny tsy rariny. Kanefa misy fanantenana ny ho anao sy ho ahy satria Jesosy efa nanomana fitoerana ho ahy sy ho anao. Izay no hiharetatsika fahorina mafy ety amin’ity zao tontolo izao ity. Teny nentin’i Pastera Hezekia