Maharitra fankam-panahy

9 novembre 202312 h 44 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany ho amin-tsika tsirairay avy. Betsaka zavatra lalovan-tsika eto amin’ity zao tontolo izao ity. Ao anatin’izany ny fankam-panahy izay tsy maintsy hiaretantsika  » araka ny tenin’Andriamanitra « . Eny, fa na dia Jesosy zanak’Andriamanitra aza dia nalaim-panahy amin’ny maha-nofo azy. Ny mpaka-fanahy dia tsy iza fa ny devoly fa Andriamanitra dia tsy mba alaim-panahy sady tsy maka fanahy olona. Ny vaovao tsara dia mandresy isika satria nandresy Jesosy. Teny nentin’i Fr Tiana