Tamberintany

15 mai 20178 h 38 min

berberman-desert_000020950281_DoubleLehibe Jehovah, Izy no Andriamanitra. Misaotra anao mazoto manaraka ny tranokalan’ny Jesosy Mamonjy ary maporisika anao hatrany satria maimaimpoana ny famonjena izay omena anao. Ny teny zaraina androany dia momban’ny vali-mbavaka. Indraindray isika eo amin’ny fiainana amin’ny maha-kristianina dia mandalo ady, toa tsy mahita mangirana amin’ny valim-bavaka. Araho ny toriteny nentin’ny mpanompony rahalahy Ezekia dia ho tsapanao ny làlana hitondran’Andriamanitra anao.