Tafio ny hery avy any ambony

18 septembre 202217 h 05 min

Mino aho fa mangetaheta tenin’Andriamanitra ianao matoa tonga eto. Tsy ny herintsika fa ny Fanahy Masina no manaitra antsika hitady ny fahamarinana. Jesosy anie hamangy ny tokatranonao androany. Meteza ho tafina hery ianao androany. dia ny herin’ny Fanahy Masina. Tsy hisy vokatra tsara ho azontsika na dia eo amin’ny andavan’androm-piainatsika aza raha tsy eo ny Fanahy Masina. Miala ny toetra ratsy izay tianao hialana rehetra rehefa eo ny herin’ny Fanahy Masina ary hitombo izany hery izany. Teny nentin’i Fr Hezekia