Raha misy azonao atao

11 septembre 202217 h 06 min

Misaotran’ny Tompo isika fa mbola tafahoana eto indray androany. Marina fa tsy mifakahita isika kanefa misy Ray any ambony miahy ahy sy ianao. Mbola te hampahery anao indray androany amin’io ady lalovanao io. Mety betsaka ny zavatra mandalo eo amin’ny fiainanao izay tsy takatry ny sainao amin’izao fotoana izao. Dia ho kivy ve? de hamohifohy ve? Tsia, Andao isika hibanjina ilay nifidy antsika indray. Mbola manana zavatra tsara omena anao izy, Lalana tsara hitarihana anao. teny nentin’i Fr Emile