Mitenena fa mihaino ny mpanomponao

4 septembre 202215 h 55 min

Nohon’ny fahasoavan’ny Tompo dia mbola voatahiry izaho sy ianao. Tsy hery na tanjatsika ry havana ny faharetana fa ny Fanahy Masina no maporisika antsika tsy ho tafandrimandry. Tonga indray ny tenin’Andriamanitra hamoa anao androany. Mba ho mpihaino sy mpankatoa isika. Mahay mihaino ny feon’Ilay efa nifidy antsika amin’ny lafi-mpiainana rehetra. Aza atao tsinotsinona ilay feo miteny amponao fa mitarika, manitsy ary manazava ny lalanao izany. Teny nentin’i Fr Naivo