Tafio ilay toetran’i Kristy

2 octobre 202219 h 09 min

Jesosy anie hamangy antsika tsirairay avy any an-tokatrano any indray androany. Nohon’ny fahasoavan’ny Tompo dia mbola manana teny ho zaraina amin-tsika ny Tompo androany. Tsy amin’kery na amim-pahatanjahana fa amin’ny Fanahiko hoy Jehovah. Anisan’ny zavatra tsara hananantsika ny toetra araka an’Andriamanitra. Zavatra sarotra izany satria tsy misy olona mahay manova ny tenany amin’ireo toetra hananany na nolovainy na izay vao azony. Kanefa rehefa Jesosy no miasa iza no hahasakana? teny nentin’i Fr Hezekia