Ampaherezo ny fonao

9 octobre 202216 h 07 min

Misaotran’ny Tompo fa mbola nomeny anjara sahaza indray isika androany. Ianao izay manatena an’i Jesosy dia tsy ho diso fanantenana androany. Amin’izao lalana alehantsika izao dia betsaka ny zavatra lalovana izay mahatonga fanakiviana. Ary rehefa kivy isika dia tsy mahavita na inona na inona intsony toa manenjika hatramin’ny fieritr’eretana. Androany te hampahery anao ny tenin’Andriamanitra fa ao amin’i Jesosy misy fiadanana. Na dia lalina tsy takatra aza ny olana mahazo anao dia hafaka hanarina anao indray Izy. Mahereza hatrany, tohizo ny dianao. Fr Jaona