Siny oditra tonta

8 février 202410 h 45 min

Ny fahasoavan’ny Tompo hatrany anie ho ahy sy ho anao. Betsaka ny ezaka izay miandry antsika eo amin’ny sehatry ny fanompoana kanefa eo ihany koa ny sakana maro samy hafa. Ao anatin’izany ny tenantsika izay tena mila fandinihan-tena lalina satria isika ihany koa dia mety ho sakana eo amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra. Tahaka ilay fanoharana nataon’i Jesoy ny amin’ilay siny oditra tonta sy vaovao. Mety ve isika havaozina indray? teny nentin’i Pastera Emile