Sekolin’ny Fanahy Masina

19 juin 202217 h 33 min

Misaotran’ny Tompo fa mamindrafo sy miantra Izy ka manome ahy sy anao sakafom-panahy indray androany. Tsy avelany ho naona ny fanahinao. Anjaranao no maka ny sakafo omeny anao androany. Ny teny zaraina dia ny amin’ny fampianaran’ny Fanahy Masina. Sarobidy tokoa izany eo amin’ny lafim-piainantsika panara-dia an’i Kristy satria tsy mahefa na inona na inona isika raha tsy eo ny Fanahy Masina. Izy no nirahinana hampianatra antsika ny zavatra rehetra. Manàna hetaheta mba ho ampianarin’ny Fanahy Masina koa isika. Teny nentin’i Pastera Azalia